Fahasalamana

Aretina mamany lava Misy tranga vaovao 4 000 isan-taona


  • Zoma 24 Mey 2019

Vehivavy 5 hatramin’ny 7 no tonga manatona eny amin’ny hopitaly HJRA isam-bolana, hitsabo tena noho ny aretina mamany lava.

 

 

 

Hatramin’ny taona 2008, nanatanterahana hetsika fitsaboana azy io teto amintsika, niarahan’ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka sy ny tahirin’ny Firenena Mikambana momba ny mponina (UNFPA) dia nahatratra 4450 isa ireo vehivavy efa sitrana raha toa ka 50.000 no isan’ny vehivavy tombanana ho tratrany eto amintsika ary misy tranga vaovao 4.000 isan-taona. Tsiahivina fa vokatry ny fahasarotam-piterahana no mahatonga ny aretina. Lasa misy hirika mampifandray ny tatavia sy ny lalan-jaza, hany ka mivoaka tsy tana any amin’ny fivaviana ny fivalanan-drano kanefa azo tsaboina tsara saingy amin’ny alalan’ny fandidiana. Omaly ny fankalazana ofisialy ny andro eran-tany ho famongorana ny aretina mamany lava teny amin’ny hopitaly CHU-JRA. Lohahevitry ny fankalazana ny " Fanitsakitsahana ny zo maha olona ny aretina mamany lava, andao hatsahatra !"

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT