Fahasalamana

Aretina mamany lava Hisy fandidiana maimaimpoana indray


  • Alatsinainy 08 Mey 2023

Betsaka ireo vehivavy tratry ny aretina mamany lava eto amintsika. Noho izy ireny tsy nanaiky hodidiana noho ny

antony maro samihafa nandritra ny fahasarotam-piterahana nahazo azy no voalaza fa antony mahatonga izany ka nandrovitra ilay tatavia. Vokany, tsy mahatazona fivalanan-drano intsony ny ankamaroan’izy ireny hany ka hahiliky ny fiaraha-monina. Na ny fianakaviany aza tsy mahazaka azy noho ny fofona aterak’izany, antony manosika ny pavillon Sainte Fleur sy ireo mpiara-miombon’antoka aminy avy any ivelany toy ny UNFPA hanatanteraka fandidiana maimaim-poana. Ny 18 ka hatramin’ny 28 mey ho avy izao no hanatontosana izany ho an’ireo vehivavy 16 ka hatramin’ny 50 taona. Tanjona ny hahafahana manavotra ny fiainan’ireny vehivavy tratry ny aretina mamany lava ireny na eo anivon’ny tokantranony izany na ho an’ny fianakaviany ihany koa. Raha tsiahivina moa dia efa nahatratra 1.172 ireo vehivavy nodidiana tatavia tamin’ny taona 2022 teto amintsika. Mikasika ny fizotry ny fandidiana manokana dia fantatra fa nahomby izany tamin’ny ankapobeny. Ny 60%-n’ireo marary no sitrana soa aman-tsara raha nisy kosa ireo naverina nodidiana hatrany amin’ny fanin’eniny vao nilamina tanteraka.
Pati
Legende : Mafy ny mahazo ireo vehivavy tratry ny aretina mamany lava
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT