ARETINA MAINTY VAVA

Mandripaka ankizy madinika any Ambovombe Androy


  • Alakamisy 23 Janoary 2025

Mandripaka ankizy madinika 6 ka hatramin’ny 10 taona maro any amin’iny distrikan’Ambovombe Androy

iny ny aretina mainty vava nanomboka ny volana Desambra taona 2024 lasa teo ka hatramin’izao. Raha araka ny vaovao azo avy any an-toerana dia vokatry ny hafanana diso tafahoatra arahin’ny tsy fahampian-drano no antony mahatonga izany. Maina avokoa ny tanan’ireo ankizy madinika sy ny tendany ary mihamainty ny molony, antony nahatonga ilay anarana hoe : mainty vava. Miisa 27 raha araka ny fantatra ireo voatery naihiditra hopitaly vokatr’izany. Vantany vao nisy ranon’orana nilatsaka kely anefa andro vitsy lasa izay dia efa nihatsara ny fahasalaman’ny am-pahany tamin’izy ireo ka efa nivoaka soa aman-tsara. Nambaran’ny lehiben’ny sampandraharaha misahana ny zaza eo anivon’ny CHRR Ambovombe Androy fa desidratation no mahazo ireo ankizy marary tsaboina ao aminy ireo. Misy ihany ny rano hoy izy saingy rano boda hany ka be loatra ireo sira mifangaro aminy. Ny rano avy nampangotrahana madio, ny sakafo madio ihany araka izany no vahaolana narosony hahafahana miady amin’ity aretina ity ho an’ny ankizy madinika. Toraka izany koa ny fanasan-tanana matetika amin’ny savony.
Pati
Legende : Tena tsy ampy rano fisotro madio sy tsy ampy sakafo ara-pahasalamana ireo kilonga madinika eto Ambovombe Androy !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT