Fahasalamana

ARETINA LEFAKOZATRA Vokatry ny loto, mampalemy mandra-maty


  • Alakamisy 07 Jolay 2022

Aretina iray mampalemy mandramaty nefa azo sorohana tsara ny aretina lefan-kozatra. Natao ho an’ny zaza vao teraka ka hatramin’ny 5 taona izy io hahafahana mampitombo ny hery fiarovana ao anatiny.

Raha araka ny fanadihadiana natao dia vokatry ny diky miparitaka eny rehetra eny ary mifangaro amin’ny vovoka lalaovin’ny zaza ka tonga hatrany am-bavany no mahatonga ny aretina lefan-kozatra. Mba hahafahana indrindra manafoana io aretina io eto amintsika ary dia hisy ny hetsika fanaovam-baksiny faobe iadiana amin’ny aretina lefan-kozatra manomboka anio Alakamisy 07 Jolay, haharitra 3 andro. Hitety Fokontany mihitsy ireo tompon’andraikitra mandritra izany raha hisy ihany koa eny anivon’ny CBS II maro isan-tsokajiny. Andiany faha-18 ny hetsika koa hanentanana ireo Ray aman-dReny manan-janaka mbola tsy vita vaksiny iadiana amin’ny aretina lefan-kozatra. Tsiahivina fa fatra in’efatra no tokony hataon’ny zaza iray mandrapahafenony herin-taona. Aorian’izay dia tokony hanao vaksiny hatrany ilay zaza isaky ny misy hetsika mandrapahafenony 5 taona. Hatete ao am-bava moa ny vaksiny iadiana amin’ny aretina lefan-kozatra ary tsy misy mampanahy ny fanaovana izany.
Pati
Legende : Tokony hatao vaksiny iadiana amin’ny aretina lefan-kozatra avokoa ny ankizy madinika rehetra !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT