Fahasalamana

ARETINA LEFAKOZATRA Voany hatramin’ny olon-dehibe


  • Alarobia 26 Jolay 2023

Tsy ny ankizy irery intsony fa hatramin’ny olon-dehibe ihany koa dia lasibatry ny aretina lefakozatra eto amintsika izay marihina fa mampalemy avy

hatrany na olona efa nandeha sy namindra izao aza. Faritra 4 amin’ny 23 isa no nahitana izany teto Madagasikara ka anisan’ireny ny Faritra Analamanga. Vokatry ny diky miparitaka eny rehetra eny ka tonga hatrany am-bava izay entin’ny lalitra no anisan’ny antony voalohany mahatonga izany. Eo ihany koa ny tsy fanasan-tanana rehefa avy ao amin’ny toeram-pivoahana…. Nisy araka izany nanomboka omaly talata 25 jolay ilay hetsika fanaovam-baksiny ho enti-miady amin’ny rehetra lefakozatra niarahana tamin’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka, haharitra efatra andro. Ankoatra ny eny anivon’ny tobim-pahasalamana dia misy ihany koa ireo mpanentana sy mpiasan’ny fahasalamana mandehandeha mitety tokantrano mampanao izany izay tsy hatsindrona akory fa hatete ao am-bava. Talohan’izao hetsika natomboka omaly izao moa dia efa nisy ny fitetezana tokantrano nataon’ny Fokontany tsirairay avy nanisana ireo olona tokony hatao vaksiny iadiana amin’ny lefakozatra rehetra hahafahana mamongotra ity aretina iray ity hatramin’ny fakany. Olona an’hetsiny no ezahina hahazo tombontsoa amin’izany.

Tsara ny mampahatsiahy fa ny taona 2018 dia efa nahazo loka sy fanamarihana iraisam-pirenena I Madagasikara fa nandresy ny valanaretina lefakozatra. 5 taona aty aoriana, dia hafa mihitsy indray ny sary miseho satria hatramin’ny olon-dehibe aza voalaza fa voa. Mandroso ve isika sa miha mihemotra hatrany?
Nangonin’i Pati
Legende : Tsy ho an’ny ankizy irery intsony ny vaksiny iadiana amin’ny aretina lefakozatra !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT