ARETINA LEFAKOZATRA

Hofongorina tsy hisy intsony eto Madagasikara


  • Talata 17 Oktobra 2023

Tsy ny ankizy irery ihany no tratran’ny aretina lefakozatra eto amintsika fa mbola voany hatramin’ny olon-dehibe koa.

Miisa 3 raha kely ireo lasibatr’izany, volana vitsy lasa izay ka ny roa hita tao Antsirabe, Faritra Vakinankaratra. Mbola marobe ihany koa anefa ireo ankizy tratrany ankoatra izay. Mba hahafahana mamongotra hatramin’ny fakany ity areti-mandoza ity, indrindra fa ho an’ny ankizy ary dia hotanterahina manomboka anio Talata 17 Oktobra indray haharitra telo andro ny fanaovam-baksiny faobe iadiana amin’ny aretina lefakozatra, ho an’ireo zaza latsaky ny 15 taona. Atete any am-bava izany raha araka ny fantatra, hetsika ho hita manerana ireo tobim-pahasalamana misy eto amintsika. Tsiahivina moa fa avy amin’ny loto entin’ny tanana mankany am-bava no miteraka ny aretina lefakozatra izay mampalemy avy. Toraka izany koa ny tay miparitaka entin’ny lalitra miverina mankany am-bilia izay ilana fitandremana fatratra. Mikasika izay fanaovam-baksiny izay hatrany dia fantatra fa hitohy hatrany ny fiaraha-miasan’ny UNICEF sy ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka manoloana ny fijerena manokana ny fahasalaman’ny Reny sy ny zaza, indrindra fa ny fanaovam-baksiny tahaka izao.

Pati
(Sary fanehoana)
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT