Fahasalamana

Aretina kitrotro Mahazo vahana sy miparitaka…


  • Alakamisy 22 Novambra 2018

Mahazo vahana tanteraka ny aretina kitrotro eto amintsika. Ankoatra ireo ankizy madinika latsaky ny dimy taona dia mahita faisana ihany koa ny olon-dehibe, eny fa na dia ireo efa vita vaksiny tamin’ny fahakeliny aza.

 

 

Raha ny fanazavan’ny mpitsabo tsy miankina iray dia miseho amin’ny alalan’ny fanaviana io aretina io. Mitsory ranon-delo ilay olona, mahamay be ny lohany, manakotsako ny vanin-taolany ary mety hikohoka mihitsy izy.  Mety  hitsory ihany koa ny ranomasony na menabe ilay maso izay fantatra fa mety hahafaty mihitsy raha tonga any amin’ny atidoha. Mety hiteraka tsiranoka any amin’ny atidoha mantsy ilay aretina, mety hampivalana sy mahavoa ny pnemonia ihany koa  raha tsy voatsabo. Na izany aza, tsy ilay kitrotro loatra no mahafaty fa ireo karazan’aretina manafika ilay marary raha vantany vao midina ny hery fiarovana ao anatiny. Ny  fanaovana vaksiny no vahaolana tsara indrindra. Maimaimpoana ny fanaovana izany eny anivon’ireo hopitalim-panjakana toy ny CSB. Afaka mandray an-tanana ireo marary ihany koa izy ireo. Ilaina koa ny fitandroana hatrany ny fahadiovana ary ny fihinanana sakafo ara-pahasalamana feno hery sy be otrikaina. Ho an’ity dokotera tsy miankina iray ity dia  fantatra fa manomboka amin’ny 9 ora maraina ka hatramin’ny 7 ora sy sasany hariva ny tenany tsy mitsahatra ny mandray marary isan’andro. Ankoatra ireo voan’ny kitrotro dia betsaka ihany koa ireo voan’ny tazo.

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT