Fahasalamana

Aretina kitrotro Lasa olana maneran-tany


  • Alarobia 04 Septambra 2019

Tsy ny firenena afrikana izay sokajiana mahantra tahaka an’I Madagasikara intsony ankehitriny no malaza anjakan’ny aretina kitrotro fa hatramin’ireo firenena matanjaka tahaka an’i Lafrantsa sy Etazonia dia efa tratra avokoa araka

 

 

 

ny tatitry ny solontenan’ny Fikambanana Manerantany ho an’ny Fahasalamana (OMS) miasa eto Madagasikara, Ndiaye Charlotte. Tsy maintsy malina hatrany ny firenena Malagasy amin’ny fiatrehana io valan’aretina io hoy hatrany izy ary tena ilaina ny fanaovana ny vaksiny faobe ho tohin’ny ezaka efa natao. Deraina ny Malagasy satria tsara ny ezaka vita ary voaasa handray ny loka voalohany any Washington  ny ministera amin’ity volana septambra ity. 7 tapitrisa mahery mantsy no zaza enim-bolana hatramin’ny 9 taona vita vaksiny ary mbola mitohy hatrany ny ezaka hoy ny minisitry ny fahasalam-bahoaka, Pr Julio Rakotonirina sy ny solotenan’ny OMS. Tsiahivina fa 2 tapitrisa dolara ny famatsiam-bola natao tamin’ny vaksiny faobe farany ary niandreketan’ny Instat mihitsy ny fanadihadiana rehetra natao hialàna amin’ny kolikoly izay nisy teo aloha.

 

Tsirinasolo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT