Fahasalamana

Aretina kitrotro eto Madagasikara Olona 4.600 no efa voa…


  • Zoma 30 Novambra 2018

Niaiky ny minisitry ny fahasalamam-bahoaka Rantomalala Yoel omaly fa tena mahazo vahana eto amintsika ny aretina kitrotro. Efa tafakatra 4.600 hatreto ireo olona lasibatra, tarehimarika azony farany tamin’ny alatsinainy lasa teo.

 

 

 Iray kosa no nambarany fa  namoy ny ainy. Tsy eto amintsika ihany no mahazo vahana  io aretina io, hoy ny minisitra. Any Frantsa, ohatra, dia nambarany fa efa folo volana izao no nampahazo vahana azy, enim-bolana ny tao Maorisy. Nanomboka tamin’ny volana oktobra kosa ny antsika teto Madagasikara izay nomarihiny manokana fa vokatry ny tsy fanaovana vaksiny avokoa. Ny nahavariana dia nisy foana ny tolotra fanaovam-baksiny maimaimpoana tao anatin’ireo herinandro ho an’ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza  natao isaky ny enim-bolana saingy tsy nisy taitra ny olona, hoy izy. Ny 25 %-n’izy ireo ihany no namaly ny antso ka nampahazo  vahana ny aretina. Ny fanaovam-baksiny ihany anefa no vahaolana ankoatra ny fitsaboana ireo efa marary. Nantitranteriny kosa fa manana hery fiarovana mandrakizay ireo olona efa voan’ny kitrotro. Ireo   tratry ny tsy fanjarian-tsakafo kosa no nambarany fa miditra hopitaly amin’ny ankapobeny raha mbola voatsabo tsotra ihany ireo ampy sakafo ara-dalàna. Tsiahivina fa maro amin’ireo olona vita vaksiny no mbola lasibatr’ity aretina kitrotro ity ihany.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT