Fahasalamana

Aretina kitrotro Ankizy 82 000 no voa tao anaty dimy volana


  • Alatsinainy 28 Septambra 2020

Araka ny fanambarana nataon` ny vondrona iraisam-pirenena misahana ny fahasalamana (OMS) dia ankizy miisa 82 405 no voan` ny kitrotro teto Madagasikara teo anelanelan` ny volana septambra 2018 sy ny volana febroary 2019 ka 926 tamin`ireo matin`ity valanaretina ity.

 

 

 

Noho ny fahatsapahana ny maha zava-dehibe ny fiarobavna ny zaza amin`ny kitrotro dia nanomboka hetsika faobe fanaovam-baksiny “dose faharoa” ny minisiteran` ny fahalasamam- bahoaka tohanan` ireo mpiara-miombon`antoka aminy. Nanomboka ity volana septambra ity hatramin` ny volana desambra izao izay hetsika izany. Amin`ny maha “dose faharoa”ity vaksiny ity dia ireo zaza 15 hatramin` ny 18 volana no hisitraka izany ary afaka atao eny amin`ireo toeram-pitsaboina fototra (CSB) manerana ny distrika izany. Marihana fa efa nisy ireo faritra no nanomboka ny taom-baksiny toy ny tany Amparafaravola, Miarinarivo, Ambato-boeny, Antanifotsy, Manandriana, Fenoaribe, Ankazoabo... Mora mifindra sy mamono ny aretina kitrotro ary mbola olana lehibe eo amin`ny fahasalamam-bahoaka ity aretina mifindra ity.

 

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT