Fahasalamana

Aretina homamiadana Misy tranga vaovao 14 tapitrisa mahery isan-taona


  • Alatsinainy 06 Febroary 2017

Maherin’ny 14 tapitrisa isan-taona ny trangana homamiadana vaovao maneran-tany, raha ny tarehimarika farany navoakan’ny sampandraharahan’ny Firenena Mikambana misahana ny fahasalamana.

Ny 2/3n-’ireo dia aty Afrika sy Azia ary Amerika latinina ary antony matetika mahatonga ny fahafatesana aterak’izany ny fahataran’ny fitiliana ireo marary. Ny 4 febroary teo no nankalazana ny andro manerantany hiadiana amin’ity aretina ity ary raha ny taham-pahafatesana hatreto aloha dia mahatratra hatrany amin’ny 8,8 tapitrisa isan-taona maneran-tany. Ny fifohana sigara, fisotroana zava-pisotro mahamamo sy tsy fahampian’ny fihetseham-batana ary fijanonana ela amin’ny masoandro moa, raha ny fanazavan’ny mpitsabo no anisan’ny fototra mahatonga homamiadana.

Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT