Fahasalamana

Aretina homamiadana Maro be ireo Malagasy tsy mahavita mitsabo tena


  • Zoma 09 Febroary 2018

Anisan’ny aretina tena atahorana indrindra amin’izao ny aretin’ny homamiadana. Ireo tany mahantra toa antsika no tena mahita faisana amin’izany izay mandrafitra ny fahafatesan’ny 80%-n’ny mponina ao aminy. Ho antsika eto Madagasikara manokana dia mahatratra 25.000

isan-taona ireo trangan’aretina homamiadana hita ka ny 50%-n’ireo dia homamiadana mahazo ny vehivavy avokoa. Anisan’ireny ny homamiadan’ny nono, ny vozon’ny tranon-jaza…Amin’ny ankapobeny anefa, raha araka ny fanazavan’ny dokotera  Randrianarivo Hasinjaka, tale misahana ny aretina tsy mifindra eo anivon’ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka dia efa lasa lavitra ilay aretina vao manatona tobim-pitsaboana ny 60 %-n’ireo marary ireo. Tsy vitsy ireo mamoy ny ainy, indrindra fa ireo tsy mahatojo ny fitsaboana hatramin’ny farany. Antony mahatonga izany araka ny fanadihadiana natao ny tsy fananam-bola fa eo dia eo ihany koa ny tsy fahafantarana sy ny fiononana amin’ny fihinanana tambavy fotsiny na fanatonana olona milaza fa mpitsabo nentin-paharazana kanefa mpisoloky ny ankamaroany. Nankalazaina omaly tetsy amin’ny hôpitaly HJRA Ampefiloha ny andro maneran-tany iadiana amin’ity aretina iray ity. Natomboka tamin’ny alalan’ny diabe izany entina hanairana ny mpiara-belona. Nanohana akaiky ny hetsika ny vondrona Star izay nanolotra eau vive 500 tavoahangy ho an’ireo mpanao diabe. Hetsika efa fanaon’ny vondrona Star isan-taona moa ny tahaka izao, indrindra fa ny fanohanana ny minisiteran’ny fahasalamana amin’ny fitsinjovana sy ny fikarakarana ny fahasalamam-bahoaka.

 

 

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT