Anisan’ny aretin-dratsy iray tena atahoran’ny olona ihany koa amin’izao fotoana izao ny Hepatite B,C,D izay tena mamono haingana tokoa ankoatra ny homamiadana sy ny SIDA.
Mifindra amin’ny alalan’ny ranonivy sy ny fanaovana firaisana ara-nofo mantsy izy io amin’ny ankapobeny saingy rehefa karazan’aretina tahaka ireny raha araka ny fanazavan’ny dokotera Feziny Séraphine dia ny hery fiarovana ihany no tsara hamafisina arahin’ny fanaovana vaksiny voatokana ho amin’izany. Rehefa tsara hery fiarovana mantsy ny olona iray dia tsy atahorana hifindra ireo aretina ireo na dia ny VIH /SIDA aza, tranga izay nambarany fa efa nanaovany fanandramana tamina mpivady iray mihitsy. Miantso ny rehefa mba hanamafy ny hery fiarovana ao anatiny ity dokotera ity raha nentaniny ihany koa ireo afaka manao vaksiny. Anisan’izany ny fihinanana sakafo ara-pahasalamana ka ny antsasany ahitana vary, mofo, paty…raha tokony hofenoina legioma manta sy voankazo, hena, trondro, atody ary menaka kosa ny ambiny. Menaka izay notsindriany manokana fa tsy tokony hodorana be ihany koa rehefa hanendasana laoka mba tsy hahavery ny hery fiarovana ao anatiny. Farany dia tokony hazoto hihinana spiruline ny olona satria ny spiruline iray sotrokely dia mitovy lanja amin’ny fihinanana voankazo sy legioma manta 5 kg. Tsy amin’izay fotoana tiana ihany koa anefa no tokony hihinanana azy fa amin’ny fotoana rehetra.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.