Fahasalamana

Aretina Hépatite B Mandripaka any ambanivohitra


  • Sabotsy 29 Jolay 2017

5,4% no tahan’ireo mitondra ny otrikaretina hepatite B ety an-tanàn-dehibe.

 Manodidina ny 18,9%  ka hatramin’ny 30,5% kosa izany ho an’ny tontolo ambanivohitra, raha ny fanazavan’ny profesora Rado Ramanampamonjy, izay manampahaizana manokana namelabelatra ny mikasika ny aretina Hepatite nandritry ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena hiadiana amin’izany tetsy amin’ny hopitaly CHU-JRA etsy Anosy omaly. Ny 70%-n’ity trangan’aretina izay mpahazo ny tsinay ity moa dia tsy hita soritra ety ivelany fa manodidina ny 20 hatramin’ny 30% ihany no hita. Nanentana ny rehetra mba hanao vaksiny fisorohana ity aretina ity, araka izany, ireo mpitsabo satria sarotra ny mitsabo ary raha tsy mitandrina dia mety hivadika homamiadana. 30.000 ariary ankehitriny ny tsindrona 3 raha 40.000 ariary ny 1 teo aloha. Hatramin’ny fiandohan’ny septambra izao moa ny fanentanana mikasika ity fanaovam-baksiny ity ary ho hita eny amin’ireo farmasia mahazatra ny tsindrona, raha ny fanazavana hatrany.

J. Mirija


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT