Fahasalamana

Aretina Hepatite B Mahazo ny 20%-n’ny Malagasy


  • Sabotsy 01 Aprily 2017

Nampahafantarin’ny tompon’andraikitra voalohany mikasika ny areti-mifindra eo anivon’ny hopitaly Befelatanana tetsy amin’ny Kudeta Anosy omaly fa mahatratra hatrany amin’ny 20%-n’ny Malagasy amin’izao fotoana izao no voan’ny aretina Hepatite B.

 Araka ny fanazavana, areti-mifindra mamotika tsikelikely ny aty avy amin’ny firaisana ara-nofo sy ny ra izy ity. Misoko mangina ny aretina satria dia maro ireo marary mihevitra ny tenany ho salama kanefa rehefa dila ny taona maro vao gaga hoe potika tanteraka ny atiny. Hatramin’ny zaza ao am-bohoka dia mety hifindrany saingy tsy hatahorana ho avy amin’ny fampinonoana zaza. Nampahafantatra moa ity sampana ity fa azo atao ny mitily ny aretina ary efa nisy fihenam-bidy ny vaksiny hisirohana azy. Tsindrona 3 no ilaina ary 40.000 ariary no totalim-bidiny.

Mirija


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

KandidĂ  miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT