Fahasalamana

Aretina Hépatite B 30.000 ny olona vita vaksiny


  • Alakamisy 24 Aogositra 2017

Anisan’ny aretina mampatahotra ny olona mafy ihany koa amin’izao fotoana ny Hepatite B eto amintsika.

Ny 25 %-n’ireo Malagasy mantsy no efa voany ka ireo miaina eny anivon’ny tontolo ambanivohitra no tena betsaka indrindra. Antony nanosika ny orinasa mpandraharaha fanafody Sopharmad hanao fihenam-bidy amin’ny vidin’ny vaksiny fanefitr’ity aretina ity izany izay nidina ho 13.300 Ar isaky ny andiany, mielanelana iray volana ny andiany voalohany sy faharoa raha afaka enim-bolana kosa ny andiany fahatelo. Hatreto dia efa tafakatra 30.000 isa ireo olona tonga nanao vaksiny nividy fanafody teny anivon’ireo toeram-pivarotam-panafody rehetra eto an-drenivohitra, hetsika efa nanomboka tamin’ny volana desambra taona 2016 lasa teo. Ny 15 septambra ho avy izao no hifarana ny hetsika izay efa nitarina 15 andro  noho ny fangatahan’ny maro.  Hiverina ho 120.000 Ar indray ny vidin’ny vaksiny telo aorian’izay. Tsiahivina fa manodidina ny 48 tapitrisa Ar ny vola tsy maintsy ilaina hitsaboan-tena ho an’ireo olona marary voan’ny Hepatite B eto amintsika, aretina tsy ahitana tranga ety ivelany akory amin’ny ankapobeny.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT