Haharitra 3 volana ny fanaovam-baksiny maimaimpoana ireo saka sy alika ho fiarovana amin’ny haromotana.
Efa nisokatra tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny biraon’ny fiompiana ampandrinomby izany ary amin’ity andiany ity dia ny faritr’Analamanga sy Alaotra Mangoro no hahazo ny vaksiny. Ireo faritra ireo no nahitana trangana haromotana maro sy olona 15 maty tao anatin’ny taona iray. Azo sorohana tsara anefa izy io saingy tokony ho mailo sy hentitra ny rehetra amin’ny fanaraha-maso ny biby ao an-tokantrano. Hisy ihany koa moa ireo “Equipe Mobile” hizara ny vaksiny amina boriborintany 3 eto an-drenivohitra sy amin’ny kaomina manamorona ny faritra Alaotra Mangoro. Ankotr’izay dia hisy fanentanana sy fampahafantarana ireo mpiompy alika sy saka izay ataon’ny minisiteran’ny fambolena sy fiompiana ary ny jono amin’ny loza ateraky ny haromotana. Tsiahivina fa aretina azo avy amin’ny kaikitr’alika na rangotra na lelaka eny amin’ny hoditra no hahazoana ny aretina ary mety hiteraka fahafatesana mihitsy. Ny vaksiny fanefitra atao amin’ny saka sy alika isan-taona ihany no azo hamongorana azy. Amin’ity taona ity dia vaksiny maherin’ny 9.000 no homena mamaimpoana ho an’ireo mpiompy alika sy saka rehetra. Hotsinjaraina amin’ny faritra roa ireo vaksiny ireo ka ny 22 jolay ka hatramin’ny 28 aogositra no eto Analamanga ary ao amin’ny faritra Alaotra Mangoro ny 21 aogositra ka hatramin’ny 4 septambra.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.