Aretina tena misy ary mamono olona
maro ny aretina haromontana. Azo avy amin'ny kaikitry ny alika izy io amin'ny ankapobeny ankoatra ireo biby hafa toy ny omby... Mahatratra 59.000 isan-taona ireo olona mamoy ny ainy vokatr'izany manerantany ka ireo zaza sy ankizy no tena maro an'isa. Isaky ny 9 minitra dia misy olona iray mamoy ny ainy hatrany araka ny tatitry ny Sampandraharaha iraisam-pirenena misahana ny fahasalamana na ny OMS. Ho an'ny distrikan'Ambatondrazaka, Faritra Alaotra Mangoro dia omby iray no matin'ity aretina ity tao Ambohitanibe. Nalefa nanaovana fitiliana tany amin’ny Institut Pasteur de Madagascar ny santionany (prélèvement) nalaina tamin’ilay biby ka rehefa nivoaka ny valiny dia fantatra fa haromontana amin’ny omby (rage bovine) no nahavoa azy. Nalevina avy hatrany ilay omby vokatr'izany, ho fisorohana ny mety ho fiparitahan’ny aretina amin’ny biby hafa sy ny loza mety hitranga amin’ny fahasalaman’ny mponina. Ambenana mafy araka izany ny toerana nandevenana io omby maty io sao dia misy olona manita-tsaina. Mety ho tratry ny aretina haromontana avy hatrany mantsy izay olona minia mihinana izany.
Pati
Légende : Ny alika no tena fantatry ny olona mpitondra ny aretina haromontana ka tokony hatao vaksiny !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.