Mitombo hatrany ireo olona lasibatry ny aretina habokana eto Madagasikara. Marary vaovao miisa 1700 indray no fantatra tamin’ny taona 2016
. Mba hahafahana miady amin’izany dia hiara-kiasa akaiky manomboka izao ny ASM (Association Aide et Soin aux Malades) etsy amin’ny CHU Befelatanana sy ny orinasam-pifandraisana Airtel Madagascar. Ny 6 mey lasa teo no nampahafantarina tamim-pomba ofisialy ny fiaraha-miasa izay hanome vahana ny fitiliana maimaimpoana mandavan-taona. Ny fitiliana mialoha ny fotoana ihany no vahaolana hahafahana miady amin’ity karazan’aretina iray ity. Tany Fianarantsoa no nisantaran’ny fikambanana sy ny ASM izany ny taona 2016. Hitohy amin’ity 2017-2018 ity izy io ka any amin’ny toerana misy ireo foko Betsileo hatrany no hanatanterahana ny asa. Hisy ny fitiliana maimaimpoana hatao isam-bolana ao amin’ny “Centre Marana” Fianarantsoa. Hanampy azy amin’ny lafiny ara-pitaovana ny Airtel Madagascar izay miezaka mandray andraikitra hatrany amin’ny fanatsarana ny fahasalamam-bahoaka eto amintsika. Misy amin’ireo marary no voatery tazonina mandra-pahasitrany ka betsaka ireo filàna tsy maintsy fenoina izay ilana mpiara-miombon’antoka toy ity orinasam-pifandraisana iray ity. Tsiahivina fa hatramin’ny taona 2016 no ho mankaty dia olona 500 ahiana ho narary teny anivon’ny fokontany sy ny faritra no efa voatily maimaimpoana tao Fianarantsoa ihany.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.