Fahasalamana

Aretina habokana 2 000 isan-taona no mbola voany eto amintsika


  • Zoma 27 Desambra 2019

Ny taona 2006 ny sampandraharahan’ny Firenena Mikambana misahana ny fahasalamana (OMS) no nanambara fa tsy anisan’ny olan’ny fahasalamam-bahoaka maneran-tany intsony ny habokana.

 

Eto Madagasikara anefa dia ahitana trangan’aretina vaovao miisa 1 500 hatramin’ny 2 000 isan-taona. Noho io aretina io mbola hita amin’ny firenena miisa 14, anisany i Madagasikara, dia nametraka paikady hiadiana amin’ny habokana indray ny OMS tamin’ny taona 2016, izay hifarana amin’io taona 2020 ho avy io. Na tsy aretina mora mifindra be aza izy dia tafiditra ao anatin’ny sokajin’ireo areti-mifindra, ka tokony hahamailo foana. Tsikaritra kosa, eto amintsika, fa voailika kokoa ireo olona tratran’ny habokana, raha mitaha amin’ireo mitondra ny otrik’aretina VIH/sida sy ireo voan’ny pesta. Mbola heverin’ny maro ho vokatry ny mosavy na ny ozona mantsy ny habokana, hany ka tsy manatona dokotera ny antsasaky ny olona voany. Teo anelanelan’ny taona 1980 sy 1990 dia nihena hatrany amin’ny 90% ny isan’ireo olona tratran’ny habokana teto amintsika, satria nisy ny fidinana ifotony nanaovana fanentanana sy fitsaboana. Taty amin’ny taona 2000 anefa dia nitsahatra izany, ka ireo mahatsiaro ho marary sisa no manatona mpitsabo. Tsara ihany ny mampaneno lakolosy toy izao, satria ny fihenan’ny isan’ny trangan’aretina dia tsy midika ho fahafongoran’ny aretina tanteraka.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT