Fahasalamana

Aretina goty Ny saofera no tena betsaka voany


  • Zoma 15 Aprily 2022

Fotoana fihetsehan’ny goty izao andro manomboka mangatsiaka izao. Vokatry ny fihinanana sakafo matsiro loatra no tena mahatonga ity aretina ity raha araka ny fanazavan’i Rija Mandimbison,

tompon’andraikitra voalohany eo anivon’ny Centre Aina Soa etsy Namontana ary tsy mitsahatra mihetsika izany raha vantany vao mangatsiaka ny andro raha tsy voatsabo tsara. Anisan’ireny ny saosy voatabia, ny taovan-kena, … Ny saofera amin’ny ankapobeny no tena voany noho izy ireo misakafo hatrany any amin’ny hotely mihinana matsiro lava kanefa tsy misy fampiasam-batana firy noho ny izy ireo mitaingina fiara hatrany. Ilay acide urique ao amin’ny vatana mihitsy mantsy no tsentsin’ilay matsiro ka tsy maintsy diovina raha tiana ho sitrana. Raha tsy voatsabo kosa anefa izy dia mety hamotika voa mihitsy no sady miteraka vato. Nazavan-dRija Mandimbison, tompon’andraikitra voalohany eo anivon’ity ivon-toerana ity moa fa raha tokony hivoaka any amin’ny fivalanan-drano ilay tsirobe loatra tafiditra ao amin’ny vatana dia mijanona ao anatin’ny acide urique izany ka lasa miparitaka any amin’ny vanin-taolana antony mampahazo vahana ny goty. Vokany, na tafiana lamba aza ilay faritra marary dia tena mila tsy ho zaka tokoa izay manomboka eo amin’ny akihiben-tongotra amin’ny ankapobeny miakatra any amin’ny lohalika….Ireo mihoatra ny 40 taona moa no tena tratran’ity aretina ity. Vahaolana aroson’ity mpitsabo ity araka izany ny tokony hihinanana ravim-bomanga sy angivy hatao rony matetika arahin’ny fampiasam-batana.
Pati
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT