Fahasalamana

Aretina fanintona Mahavoa ny 10% n’ireo zaza latsaky ny ­6 taona


  • Alakamisy 08 Febroary 2018

Ny 10%-n’ireo ankizy latsaky ny enin-taona manerana ny Nosy no fantatra fa efa niharan’ny fanintona na ilay karazan’aretina mihinjitra sy miakatra maso.

 

Anisan’ny antony mahatonga izany, hoy ny dokotera David Rakotondrasana, tompon’andraikitra  eo anivon’ny hopitalin’ny reny sy ny zaza etsy Ambohimiandra ny tsy fahatantesan’ny vatana izay hafanana be loatra miakatra rehefa tsy salama ny zaza na koa nihinana fanafody ilay zaza fa namay be  nidina tampoka ny hafanany. Na izany aza, tsy misy atahorana ny aretina. Misy amin’ireo ankizy tratra ity fanintona ity aza raha araka ny voalazany no tsy mila miditra hopitaly akory satria raha vao midina amin’ny ara-dalàna ny hafanany dia efa mitony izy. Manaranaka ny fanintona amin’ny ankapobeny, raha araka ny fanazavan’ity dokotera ity hatrany saingy tokony ho tapitra izany rehefa eo amin’ny faha-enin-taonan’ilay zaza. Na izany aza anefa hoy izy dia mila mailo ny Ray aman-dReny rehefa mifanintona ny zaza. Tsy rakofana amin’ny lambabe toy ny teo aloha intsony izy ireny hoy izy fa haboridana mihitsy aza raha ilaina izany. Ankoatra izay hoy izy dia ilaina ny fanatonana mpitsabo haingana mba hahazoana fanafody mampidina ilay hafanana.  Ho an’ny hôpitalin’ny Reny sy ny zaza etsy Ambohimiandra manokana dia iray isan’andro raha kely ireo zaza  miditra hôpitaly vokatry ny fanintona. Tsiahivina moa fa misy karazana roa ny fanintona dia ny fanintona tsotra sy ny androbe saingy ity farany no mety hahatara saina ho an’ireo ankizy raha mihena mihitsy ny haranitan-tsainy ho an’ny olon-dehibe. Mila fitsaboana maharitra ihany koa izy vao sitrana. Hankalazaina anio alakamisy 08 febroary ny andro maneran-tany iadiana amin’ny fanintona.

 

 

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT