Fahasalamana

Aretina Drepanocytose Ny 10 %-n’ny Malagasy no fantatra fa voany


  • Alakamisy 14 Jona 2018

Aretina iray mahafaty ka mila fanaraha-maso akaiky ny drépanocytose. Ny 10 %-n’ny Malagasy no fantatra fa voany ankehitriny.

 Aretin’ny tsy fahampian’ny ra izy io, miteraka fanaintainana be amin’ny vatana sady manimba ny taova haingana. Raha ny fanazavan’ny profesora Oliva, tompon’andraikitra voalohany eo anivon’ny hopitaly HJRA dia amin’ny alalan’ny fitiliana ihany no hahafahana mamantatra ity karazan’aretina iray ity. Tsy mifidy taona izy nefa azo tsaboina tsara, raha tsy tara loatra ny fahatongavan’ilay marary eny anivon’ny tobim-pitsaboana. Mba hahafahana mijery akaiky ity aretina iray ity sy ny fomba hahafahana mitsabo azy dia tanterahina etsy amin’ny Carlton nanomboka omaly alarobia 13 jona ilay atrikasa iraisam-pirenena andiany fahafito aty Afrika afovoany. Tanjona ny hahafahan’ireo manampahaizana maro eto an-toerana sy avy any ivelany mijery manokana ny mikasika ireo gene marary anatin’ny vatan’olombelona lasibatry ny drepanocytose iray ka hahafahana mitsabo haingana ny aretina, hisorohana ny fahafatesana. Anisan’ny manohana akaiky ny ady hatao amin’ity aretina iray ity ny orinasam-pifandraisana Airtel. Olona manodidina ny 3 tapitrisa hatreto no efa nanaovan’izy ireo fanentanana manerana ny Nosy amin’ny alalan’ny asa tanterahiny. Tsiahivina moa fa mbola tena lafo sady ilana dingana maro ny fitsaboana ny aretina drepanocytose. Anisan’ireny ny fanaovana analyse, ny fitarafana, ny fandidiana miankina amin’ny fivoaran’ilay aretina.

Pati


 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT