Fahasalamana

Aretina diabeta Zava-dehibe ny fitiliana ny tahan’ny siramamy …


  • Alakamisy 15 Novambra 2018

Mihamahazo vahana ny aretina diabeta maneran-tany. Olona iray isaky ny fito segondra no fantatra fa mamoy ny ainy ka tafiditra ao isika eto Madagasikara.

 

 

 Iray amin’ny roa amin’ireny olona ireny anefa no tsy mahalala akory fa voan’ny diabeta izy. Amin’ny ankapobeny dia vokatry  ny fihinanana zavatra mamy loatra sy be menaka no mahatonga ity aretina iray ity arahin’ny tsy fanaovana fanatanjahantena.  Noho izay antony izay indrindra dia hanampy ireo mponina eto an-drenivohitra sy ny manodidina ny  Centre médical Marie Stella eny Analamahitsy.  Nanatanteraka fitiliana maimaimpoana ny aretina diabeta izy ireo nanomboka omaly alarobia 14 novambra haharitra hatramin’ny faran’ny taona. Tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny andro maneran-tany iadiana amin’ny aretina sady hanentanana ny isam-pianakaviana ihany koa. Izany mantsy no tena olana goavana amin’ny ady hatao amin’ny aretina diabeta eto amintsika, hoy i dokotera Feziny. Manana ny marary ny fianakaviana iray  saingy tsy hampiany sy tohanany ilay diabetika mba hahafahany manohitra ilay aretina. Tafiditra ao anatin’izany ny fampirisihina azy ireny hijery hatrany ny tahan’ny siramamy ao anatin’ny  vatany izay tokony hatao in-droa isan-kerinandro, ny fanaovana fanatanjahantena, ny fanarahana ireo sakafo efa voatokana omen’ny mpitsabo. Ho an’ireo hita fa tena voan’ny diabeta  kosa dia fantatra fa hisy ny fizahana ny fahasalamany amin’ny ankapobeny, arahin’ny torohevitra omen’ny centre.

 

 

 

Pati

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT