Fahasalamana

Aretina diabeta sy homamiadana Vokatry ny fihinanana sakafo be akora simika


  • Alakamisy 11 Mey 2023

Miha mitombo hatrany ireo olona lasibatry ny aretina homamiadana sy ny diabeta eto amintsika.

Raha araka ny fanazavan’ny dokotera Zaranaina dia tsy hanavahana sokajin-taona intsony izany fa lasibatra hatramin’ny zaza madinika mihitsy. Olona 5 amin’ny 30 isa eo ho eo ireo fantatra fa voa ao anatin’ny iray andro, mandalo amina ivon-toeram-pitsaboana tsy miankina iray. Noho ny fiparitahan’ireo karazan-tsakafo feno akora simika avy any ivelany hamidy eny an-tsena no nambarany fa antony tena mahatonga izany. Tokony ho mailo sy handray andraikitra ny Ray aman-dReny noho izany hoy izy hiaro ny ankizy madinika amin’ireny karazan-tsakafo feno akora simika ireny. Toraka izany koa ireo olon-dehibe sasany izay mihinana ihany noho ny tsiron’ilay ody ambavafo na sakafo na dia efa mahalala aza. Tokony hametraka politika ihany koa ny Fitondram-panjakana hoy izy hahafahana misoroka ireny karazan-tsakafo feno akora simika miparitaka eto amintsika ireny. Raha izao mantsy no mitohy hoy dokotera Zaranaina dia fotoana vitsy monja dia ho voan’ny diabeta sy ny homamiadana avokoa ny Malagasy rehetra. Notsiahiviny moa fa raha misy amin’ireny karazan-tsakafo ireny no tsy maintsy hohahina dia misy fanampiny hafa tokony hampiarahina aminy mba hamonoana na handevonana ilay akora simika.
Pati
Legende : Tena miparitaka tokoa eto amintsika ireo karazana ody vavony feno akora simika
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT