Fahasalamana

Aretina diabeta Nanaovana fitiliana maimaimpoana ny teny Alasora


  • Alatsinainy 16 Novambra 2020

Aretina mahafaty ny diabeta raha tsy fantatra no sady tsy voatsabo.

 

 

 

  Mba hisorohana izany dia nofidin’ny Lions Club namamarihana ny andro iraisam-pirenena iadiana amin’ny diabeta ny kaominina Alasora, distrikan’Avaradrano.Tao amin’ny CBA manamorona ny By pass no nanaovana ny hetsika tamin’ny Sabotsy teo. Fitiliana maimaimpoana sy fanomezana torohevitra ho an’ny mponin’Alasora no nentina nanamarihana izany. Narahina fitiliana ny areti-maso katarakta sy fanomezana solomaso tamin’ny vidiny morary ihany koa izany ho an’ireo marary maso mila fitsaboana. Tsy ny mponinan’ Alasora ihany moa no nahazo tombontsoa tamin’izany fa isan’ny nampilazana ny fisian’ny hetsika ihany koa ny tany amin’ireo tanana manodidina toa an’ Ambohimangakely sy Ambohijanaka ….. Antenaina hoy ny Ben’ny tanànan’ Alasora Jimmy Randriantsoa ny hitohizan’izao fiaraha-miasa amin’ny lions club izao . Tsara ny fanombohana hoy izy ary antenaina fa hitohy amin’ny tsaratsara kokoa izany. Olona manodidina ny 500 teo ho teo moa no nokendrena nisitraka izany karazana tolotra izany. Nilaza moa ny avy ao amin’ny lions club fa niparitaka tamin’ny faritra maromaro izy ireo nandritra ity hetsika ity saingy niavaka ny tao amin’ny kaomin’Alasora teo amin’ny resaka fandaminana sy ny fandraisana ireo olona tonga nanao fitiliana.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT