Fahasalamana

Aretina diabeta Mitombo isa ireo marary eto Madagasikara


  • Talata 14 Novambra 2017

Olona iray isaky ny fito segondra no voalaza fa mamoy ny ainy manerana izao tontolo izao vokatry ny aretina diabeta mahazo azy.

 Tafakatra hatrany amin’ny 5,1 tapitrisa  isan-taona izy ireo raha atotaly ka ireo eo anelanelan’ny 40 ka hatramin’ny 59 taona no tena maro an’isa. Ny antony, raha ny  fanadihadiana natao ny fihinanana sakafo tsy ara-pahasalamana toy  ireo be menaka, mamy loatra, arahin’ny tsy fampiasam-batana izay ilaina tokoa na dia 30 minitra isan’andro ihany azy. Ho antsika eto Madagasikara manokana dia fantatra fa tsy mitsaha-mitombo ireo olona manatona tobim-pitsaboana ary fantatra fa voan’ny aretina diabeta izay miseho amin’ny endrika maro. Anisan’ireny ny faharerahana be loatra, ny hanoanana lava... Toraka izany koa ireo  zaza vao teraka izay voan’ny diabeta sahady aretina nateraky ny tsy fahatombonana nandritra  ny fiforonany mbola tany am-bohoka. Hankalazaina anio talata 14 novambra ny andro maneran-tany iadiana amin’ny aretina diabeta, daty napetraky ny sampandraharaha iraisam-pirenena momba ny fahasalamana. Hisy, araka izany, ny fanentanana sy fampahafantarana momba ity karazan’aretina iray ity hotanterahin’ireo tobim-pitsaboana maro isan-karazany eto an-drenivohitra toy ny Amadia eny Faravohitra.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT