Fahasalamana

Aretina diabeta Mitombo isa hatrany ireo olona voany


  • Zoma 07 Jolay 2017

Mitombo isa hatrany ireo olona voan’ny aretina diabeta eto amintsika, raha araka ny fanazavan’ny dokotera José, tompon’andraikitra eo anivon’ny AMADIA etsy Faravohitra.

 

 Isaky ny manao fitiliana maimaimpoana izy ireo dia mahatratra 5 % ireo olona lasibatr’ity aretina ity vokatry ny  rarintsaina, ny fihinanana sakafo tsy ara-pahasalamana, ny fisotroan-toaka, indrindra ny tsy fampiasam-batana izay tena mahazo vahana tokoa ankehitriny. Na izany aza anefa raha araka ny fanazavan’ity dokotera ity dia anisan’ny olona lava andro iainana indrindra ny olona voan’ny diabeta raha voatsabo ara-potoana ilay aretina mahazo azy. Lasa  mahay misakafo ara-pahasalamana mantsy izy ireny, misotro rano tsara, mihinana karazana legioma dimy isan’andro sady mampiasa vatana ihany koa. Nomarihiny manokana anefa  fa  tena mandany vola  ny fitsaboana ny diabeta saingy efa miezaka ny fanjakana ankehitriny manamaivana ny fahasahiranan’ny marary. Ho an’ny AMADIA manokana dia efa raisin’izy ireo an-tanana maimaimpoana ny fitsaboana ireo ankizy madinika voan’ny diabeta raha nohamaivanin’ny fanjakana kosa ny vidim-panafody ho an’ny olon-dehibe. Roa taona no kely indrindra lasibatr’ity aretina iray ity eto amintsika.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT