Fahasalamana

Aretina diabeta Miisa 400 ireo ankizy latsaky ny 18 taona voany eto


  • Talata 21 Martsa 2023

Tsy mifidy taona ny aretina diabeta. Ankoatra ireo olon-dehibe lasibatr’izany etsy sy eroa dia efa mahatratra 400 ihany koa ireo ankizy latsaky ny 18 taona

mitondra faisana vokatr’ity aretina ity eto amintsika raha araka ny fanadihadiana natao. Misy vao herin-taona mahery no kely indrindra amin’izy ireny nandova ilay aretina tamin’ny alalan’ny Ray aman-dReniny raha misy ihany koa ireo lasibatr’izany vokatry ny fihinanana sakafo tsy ara-pahasalamana toy ireo be siramamy loatra…. Eo an-danin’izay ihany koa anefa dia vokatry ny tsy fanatonana mpitsabo ihany koa no mampirongatra ity aretina ity hoy ny mpitsabo. Noho ny fidangan’ny vidim-piainana mantsy dia lasa malaina manatona mpitsabo ny olona ka vitsy sisa ireo manao fitiliana sy mizaha ny fahasalamany amin’ny ankapobeny. Nihavitsy ihany koa ireo marary mahalala ny tenany fa diabetika tonga mitsabo tena vokatr’izay hasarotan’ny fiainana izay ihany. Raha tsiahivina tokoa mantsy dia mila vola betsaka hatrany ny mitsabo ny aretina diabeta eto amintsika. Iray hetsy raha kely no tsy maintsy homanina sy ilaina ho an’ny marary iray raha araka ny fijoroana vavolombelona nataona marary iray. Eo amin’ny 5 na 6% eo ho eo kosa ny Malagasy lasibatr’ity aretina ity manerana ny Nosy. Ho an’ireo ankizy latsaky ny 18 taona manokana moa dia nambaran’ny fitsaboana fa tsy tokony hotehirizina any an-trano izy ireny raha tratran’ny diabeta. Mila fitaizana manokana ihany koa mantsy ny sainy mba tsy ho simba ankoatra ny fahasalaman’ny vatany amin’ny ankapobeny.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT