Fahasalamana

Aretina diabeta Ela velona kokoa ireo voany raha mahay mitaiza vatana


  • Alatsinainy 17 Desambra 2018

Na dia anisan’ny aretina mahavoa olona betsaka aza ny aretina diabeta maneran-tany dia fantatra kosa fa ela velona kokoa ireo voany raha mahay mitaiza vatana.

 

 

 

Hainy tsara mantsy ny mitandrina ny sakafo haniny sy ny  manaraka ireo toro-mariky ny dokotera hoy dokotera Manitra Rakotoarivony, tompon’andraikitra eo anivon’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka ka anisan’ireny ny fampiasam-batana. Nisy ny fitiliana ny aretina diabeta maimaim-poana notanterahin’ny AMADIA tetsy amin’ny HJRA Andavamamba ny Sabotsy, notohanan’ity ministera iray ity. Nambaran’ny dokotera Haja Ramamonjisoa avy eo anivon’ny AMADIA tamin’izany fa 4 % eo ho eo ny tahan’ireo olona voan’ny diabeta amin’izao eto Madagasikara. Rehefa manao fitiliana maimaim-poana tahaka izao anefa izy ireo dia mahatratra any amin’ny 5 ka hatramin’ny 12 % hatrany ireo olona lasibatra ka tokony samy hitandrina ny rehetra. Ny fitiliana ihany hoy izy no vahaolana raha mandova avy amin’ireo Ray aman-dReniny kosa ny 90 % nefa azo sorohana tsara. Ny Sabotsy teo moa no nankalazana tamim-pomba ôfisialy ny andro iraisam-pirenena iadiana amin’ny aretina diabeta.

 

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT