Fahasalamana

Aretina Dengue Tany Mahajanga ny iraky ny governemanta


  • Talata 05 Mey 2020

Tonga tao Mahajanga ireo mpikamban’ny Governemanta nihaona tamin’ireo “Comité de Vigilance pour la Lutte Contre les Epidémies” sy ny mpikamban’ny CCO COVID-19 Boeny, notarihin’ny Préfen’i Mahajanga sy ny Lehiben’ny faritra Boeny mpisolo-toerana, Bazezy Clavelah.

 

 

 

 

 

 Ny Ministry ny Raharaham-bahiny, ny dokotera Tehindrazanarivelo Djacoba Liva sy ny Ministry ny Fampianarana ambony sy ny Fikarohana ara-tsiansa, ny profesora Assoumacou Elia Béatrice no nanatanteraka izany iraka izany niaraka tamin’ireo delegasiona namany. Nanotrona azy ireo ihany koa ny Filoha lefitry ny Antenimierampirenena, Rahantanirina Lalao, sy ny solombavambahoaka ary loholona voafidy tao Mahajanga. Nitety fokontany maromaro amin’ny ilany antsinanan’ny tampon-tanànan’i Mahajanga ireto delegasiona ireto nitsidika ireo olona mitondra ny aretina Dengue, izay tazo mahery azo avy amin'ny kaikitry ny moka, raha ny fanazavana. Ankoatra izay dia hametraka paik'ady izy ireo ho famongorana ity valan’aretina ity miaraka amin’ireo mpitondra eny ifotony. Nitohy omaly alatsinainy 4 sy anio Talata 5 may ao an-drenivohitr’i Boeny ny iraka ampanaovin’ny Filoha an’ireto mpikamban’ny governemanta ireto, raha ny fanazavana hatrany. Nomarihin’ny Ministry ny Raharaham-bahiny, fa na dia eo aza ny fisian’ity valan’aretina ao an-tampon-tanànan'i Mahajanga ity, dia tsy misy akory ny maty fa ny marary ihany no misy ary maimaim-poana avokoa ny fitsaboana azy ireo. Tsiahivina fa 27 ny isan'ireo mararin'ny tazo nanaovana fitilina tany amin'ny “Institut Pasteur de Madagascar” tany am-boalohany ka ny 24 tamin'izy ireo no voamarina fa voan'ny Dengue, hoy hatrany ny fampitam-baovao.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT