Mandripaka tanteraka ny aretina Dengue amin` izao fotoana izao. Miha-mavesatra ny tarehimarika teo anelanelan` ny 04 may hatramin` ny 10 may lasa teo satria tafiakatra 1 212 trangan'aretina Dengue voamarina.
An-jatony no mararin` ny aretina isan-andro. Tamin`ny zoma lasa teo dia nahatratra 101 ny tarehimarika ho an` ny tontolo andro ary miakatra hatrany. Raha atambatra dia mahatratrata 2000 mahery no voan` ny aretina dengue. Nisy fanadiovana faobe ny talata lasa teo tao Mahajanga mba hahafahana misoroka ny aretina. Raha ny nambaran` ny tomponandraikitra ara-pahasalamana any an-toerana dia tsy ampy ny fanafody iadiana amin` izany aretina izay ary miandry paikady apetrakin` ny fitondram-panjakana kosa ny rehetra.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.