Fahasalamana

Aretina Coronavirus Miantraika amin’ny toekaren’i Afrika


  • Alatsinainy 09 Martsa 2020

Na dia mbola vitsy aza ny olona voakasiky ny aretina Coronavirus aty Afrika dia efa misy akony ratsy amin’ny toekarena amin’ireo firenena afrikanina maro ny vokatry ny valanaretina.

 

Ny fifanakalozana ara-barotra  amin'i Azia dia efa manomboka mihisatra tanteraka. Raha ny any Afrika Atsimo, ohatra, dia hihemotra hatrany ny fandefasana ireo vokatra fambolena fanondrana mahazatra araka ny nambaran’ireo matihanina amin’io sehatra io. Ny ampahefatry ny fanondranana ny vokatra mahakasika ny fambolena ataon’i Afrika Atsimo anefa dia raisin’ny any Azia avokoa. Etsy an-daniny, efa nihena hatrany amin’ny 35% ny famarotana ny diamondra ataon’ny orinasa De Beers izay sinoa ny ankamaroan’ny mpanjifa. Raha ny any Cameroun indray dia manomboka miakatra ny vidin’ny trondro satria norarana ny fanafarana sy ny fidiran’ny trondro avy any Sina noho ny tahotra ny aretina. Eo ihany koa ny kojakoja ilaina amin’ny moto sy ny moto mihitsy izay tsy tonga any Cameroun intsony noho ny fikatonan’ny orinasa maro any Sina. Raha mbola mitohy ny fanapahana ny fifandraisana amin’i Sina dia tombanana hahatratra hatrany amin’ny 400 tapitrisa dolara eo ny fantiantoky ny kaompaniam-pitateram-piaramanidina afrikanina. Anisan’ny voakasika ihany koa ny toekaren’i Gabon sy Congo amin’ireo fepetra mafy tsy maintsy noraisina ny amin’ny fitaterana an-dranomasina. Eo ihany koa ny fanafoanana ilay hetsika lehibe CEO Forum tokony hatao any Abidjan manomboka anio saingy nahemotra amin’ny fotoana tsy mbola fantatra noho ny Coronavirus. Mahakasika an’i Nizeria indray dia efa feno fanahiana ny amin’ny ho mety fitotongan’ny vidina solitany izy ireo satria tamin’ny herinandro lasa teo dia efa nihena hatrany amin’ny 15% ny vola niditra. Na i Madagasikara aza dia efa hita ho voakasika ihany koa satria maro be ireo mpandraharaha tokony hivezivezy mankany Sina ary efa velon-taraina ny amin’ny fatiantoka aterak’ity aretina coronavirus ity  ny ankamaroan’izy ireo.

Tsirinasolo

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT