130 miliara Euros ny fatiantoka ho an’ny toekarena sinoa hatreto Orinasa maro no nanakatom-baravarana aloha. Omaly alahady, nandrotsaka vola 156 miliara Euros ny banky foibe sinoa hanavotana ny toekarena...
Ny faritr’i Wuhan izay tena ivon’ny Coronavirus no avokavoky ny indostria amin’ny resaka fiara sy ny tontolon’ny elektronika any chine. Tao no lasibatra voalohany, ary be maty indrindra. Ny sehatra fizahantany sy ny fitaterana dia isan’ny tena voa mafy. 304 maty ary 14 000 no efa mitondra ny tsimokaretina raha ny tatitra farany omaly. Mitoka-monina tanteraka i Sina ankehitriny satria na ireo mponina any aza dia tsy navela hivoaka mankany amin’ny firenen-kafa intsony mandrapahitana vahaolana amin’ny aretina. Ankoatra izay, ireo kaompania amin’ny fitaterana ana habakabaka rehetra dia efa nanapaka ny sidina mankany Sina. Anisan’izany Air France, British Airways, Air Canada, Lufthansa, United Airlines, American Airlines ary ny eto Madagasikara sy ireo hafa koa. Disney aza moa dia nanidy ny toeram-pilalaovana any Shangai sy Hong Kong mihitsy. Anisan’ny mampidi-bola be ho an’ny Sina ary manatsara ny toekareny ny sehatra fizahantany sy ny fitaterana ary tsy maintsy hisy akony ratsy amin’ny harinkarena faobeny izao raha mitohy. Amin’izao fotoana izao mantsy dia efa miantraika tsikelikely any amin’ny sehatra hafa tahaka ny teknolojia, fanjifana izany. Araka ny nambaran’ny fahitalavitra Sinoa CGTN dia efa nisy ny sitrana voalohany tamin’ny 30 janoary lasa teo tany Qingyuan Guangdong. Tena nararin’ny Coronavirus io olona io ary efa nivoaka ny hopitaly satria sitrana soamantsara, hoy ny tatitra. Andrasana ny tohiny!
Tsirinasolo sy Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.