Fahasalamana

ARETINA ALZHEIMER Olona iray isaky ny 3 segaondra no voa maneran-tany


  • Alarobia 28 Septambra 2022

Tsy ny olona efa voky taona ihany no tratran’ny aretina Alzheimer amin’izao. Mihatanora hatrany mantsy ireo olona voany raha araka ny fanadihadiana natao ka misy vao 50 taona monja no zandriny indrindra.

Ankoatra izay dia olona iray isaky ny 3 segaondra ihany koa no lasibatr’ity aretina iray ity maneran-tany raha mitontaly 50 tapitrisa izy ireo manerana izao tontolo izao. Mihoatra ny 50% ireo fianakaviana mitaiza olona mararin’ny alzheimer araka izany maneran-tany ary samy mahatsapa fa mhasimba ny fahasalamany noho ny andraikitra maro sahaniny ao anatin'izany fitaizana izany. Tena sarotra mantsy ny mitaiza ireny olona ireny no sady mitaky fandavan-tena be dia be tokoa. Raha araka ny fantatra hatrany moa dia ny vehivavy matetika no lasa misahana ny fitaizana ny havany voan'ny aretina Alzheimer indrindra fa ny aty amin'ny tany an-dalam-pandrosoana toa antsika. Tsiahivina moa fa tsy sitram-panafody ny aretina alzheimer. Mila fitiavana ihany koa mantsy ny marary hampifamenoina amin'ny fanohanana ara-tsosialy.
Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT