Fahasalamana

Aretina Alzheimer Olana iray isaky ny 3 segondra no voany maneran-tany


  • Alatsinainy 17 Septambra 2018

Tafiditra ao anatin’ny iray volan’ny aretina « Alzheimer » isika amin’izao. Aretina tsy dia fantatry ny Malagasy izy io saingy efa maro ireo olona voa.

 

 

 Olona iray isaky ny telo segondra anefa no voan’ity aretina ity manerana izao tontolo izao. Ireo efa nahazoazo taona no tena iharany saingy efa misy voany ireo tanora.  Hetsika fitiliana maimaimpoana mahakasika ny tosidra, ny diabeta, indrindra ny fitsirihana ny fitadidiana na « test de mémoire » ary zava-dehibe ny fanaovana fitiliana dieny mialoha raha ny nambaran’ny mpitsabo iray. Amin’ny ankapobeny, ny fitrangan’ny aretina dia zavatra taloha efa ela be no tadidy fa ny zava-mitranga vao haingana no adino. Ahiana hiitatra hatrany ny fahavoazana ary  manadino ny fihetsika mahazatra ny marary, hoy hatrany ny mpisabo iray. Raha ny fantatra ihany koa dia ny aretina Alzheimer, diabeta, ny fiakaran’ny tosidra no atao hoe “facteurs de risque” amin’ny aretin’ny fikorontanan-tsaina. Azo atao tsara ny misoroka mialoha ny fahatongavan’ny aretina ka ny fampiasam-batana, ny fifaneraserana tsy tapaka amin’ny fianakaviana sy amin’ny fiarahamonina, ny fanaraha-maso amin’ny fahasalaman’ny fo sy ny lalandra, ny fampiasana matetika ny saina ary ny fihinanana sakafo ara-pahasalamana no mety ho vahaolana.  Nisy ny hetsika nokarakarain’ny ONG Alzheimer Masoandro Mody, mikarakara ireo olona voan’ny aretina “Alzheimer” eto Madagasikara, miaraka amin’ny Pharmadiff sy ny REMED na ny fivondronamben’ny mpianatra ho mpitsabo izay tanterahin’izy ireo tetsy amin’ny ivontoerana misy ny fikambanana Masoandro Mody tetsy Mahazoarivo ny sabotsy lasa teo.

Legende:

Marigny A.

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT