Fahasalamana

ARETIM-PO Lasa aretina mitaiza ny Malagasy


  • Alarobia 10 Aogositra 2022

Lasa aretina mitaiza ny Malagasy ny aretim-po ankehitriny. Vokatry ny fahasahiranana ateraky ny hasarotan’ny fiainana avokoa no mahatonga izany raha araka ny fahitan’ny mpitsabo azy.

Ankoatra ny adin-tsaina izay mikiky mantsy dia misento lava amin’ny fitadiavana ny hanin-ko hanina na lahy na vavy hany ka marary tsy fidiny hatramin’ny fo. Ho an’ity farany manokana dia miseho toy ny aretim-po mahery vaika mihitsy izy raha araka ny fanazavan’i Mandimbison Rija, tompon’andraikitra voalohany eo anivon’ny Centre Aina Soa etsy Namontana. Mivonto ilay tongotra, mivonto ihany koa ilay tanana. Ilay tompony ihany anefa no afaka manasitrana io aretina io. Misy ihany koa anefa ilay aretim-po izay avy amin’ny aretina mihitsy na gros Coeur. Miainga amin’ny aretim-bavony…izy io izay vokatry ny tsy fihinanan-kanina ateraky ny hasarotan’ny fiainana ihany koa. Rehefa marary mantsy ny vavony, ny voa dia mitohy mankany amin’ny fo izany hany ka lasa aretim-po mahery vaika ihany koa. Azo sitranina tsara anefa ny aretim-po amin’ny ankapobeny raha tsy tara loatra. Ankoatra ny fanamboarana ny saina dia anisan’ny manampy betsaka amin’ny fanampiana ireo olona voan’izany ihany koa ny Centre Aina Soa. Nomarihin’i Mandimbison Rija, moa fa mahafaty ny aretim-po raha tsy voatsabo ka tsy tokony hiandrasana ela.
Nangonin’i Pati
Legende : Mandimbison Rija, tompon’andraikitra eo anivon’ny Centre Aina Soa etsy Namontana

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • Mpox eto Madagasikara
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Tafakatra 2139 ny tranga

  • AMBOHIJAFY FENOARIVO-MANDRITSARA
  • Alarobia 22 Aprily 2026

Tovovavy maromaro tratran'ny ambalavelona

  • Fahasalaman’ny zaza eto
  • Talata 14 Aprily 2026

Madagasikara

  • Vaksinin’ny IMPOX
  • Alarobia 08 Aprily 2026

eto Madagasikara Tsy tratra ny tanjona,

  • Sehatry ny fahasalam-bahoaka
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Ireo antony telo mampitsoaka

Hijery ny tohiny
FTT