Fahasalamana

Aretim-pivalalana Mirongatra indray


  • Talata 08 Janoary 2019

Tafiditra tanteraka ao anatin’ny vanim-potoanan’ny fahavaratra isika ankehitriny.

 

 

 Ankoatra ireo karazam-boankazo vokatra eny an-tsena izay marihina fa tena marobe tokoa dia mahazo vahana ihany koa ny loto sy ny petsapetsa ateraky ny ranon’orana, antony mampirongatra ny lalitra etsy sy eroa. Mihabetsaka ihany koa ny voalavo. Mahazo vahana ny aretim-pivalanana, indrindra ho an’ireo tsy zatra manasa tanana sy mihinana sakafo tsy azo antoka. Raha ny fanadihadiana natao dia olona telo na efatra isan’andro raha kely no tonga manatona tobim-pitsaboana  tsy miankina vokatry ny aretina. Tafiditra ao  ny olon-dehibe. Ny fahadiovana ihany no vahaolana tsara indrindra, hoy ny dokotera Fidy Bariniaina, nanaovanay fanadihadiana. Lohalaharana amin’izany ny fanasana tanana amin’ny savony mialoha ny hisakafoana sy avy any amin’ny trano fidiovana. Ao koa ny fanasana ny voankazo mialoha ny hihinanana azy arahin’ny fanajana tsara ny ora tena hahamasahan’ny sakafo fa tsy maimaika. Betsaka mantsy ireo olona avy hatrany dia mihinana voankazo raha vao avy mividy azy eny an-tsena  sy ny fihinana sakafo efa lany sy tsy azo antoka.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT