ARETI-NIFY

Ny 90%-n’ny zaza latsaky ny 6 taona no tratrany


  • Alatsinainy 22 Aprily 2024

Ny 90%-n’ireo ankizy latsaky ny 6 taona eto amintsika no fantatra fa tratry ny aretin-nify.

Ankoatra ny fihinanana zavatra mamy loatra, mamay loatra na mangatsiaka loatra dia anisan’ny antony mahatonga ny areti-nify ihany koa ny fahaizana mikolokolo ny fahasalaman’ny nify sy ny ativava na ho an’ny ankizy izany na ho an’ny olon-dehibe. Tokony hoborosiana in-telo isan’andro mantsy ny nify dia ny maraina izany, ny atoandro ary ny hariva samy aorian’ny sakafo avokoa. Tsy tokony ho latsaky ny 3 minitra ihany koa ny hanaovana izany isanisany ary hatao isaky ny lafiny telo. Betsaka anefa ireo tsy mahavatra izany. Mba hahafahana mitaiza sy mikolo ireo ankizy madinika, indrindra hisorohana ny areti-nify mety hahazo azy ireo ary dia nanentana ireo mpianatry ny EPP Ankorondrano Andranomahery ny Consulat de Monaco ny faran’ny herinandro teo. Tanjon’izy ireo ny hitaizana ny ankizy mpianatra ho tia mikolo sy mikarakara ny nifiny ary hahafahany ihany koa mampita izany amin’ireo manodidina azy. Marihina moa fa antony iray mety haharatsy nify ny ankizy ihany koa ny tsy fahampian-tsakafo antony mahatonga ny mpitsabo hanentana hatrany ny amin’ny tokony hihinanana voankazo sy legioma isan’andro miampy ireo sakafo feno hery fiarovana hanohanana ny vatana.
Pati
Legende : Mbola tsy zakan’ny ankamaroan’ny ankizy ny alana nify tahaka izao !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • Fahasalaman’ny zaza eto
  • Talata 14 Aprily 2026

Madagasikara

  • Vaksinin’ny IMPOX
  • Alarobia 08 Aprily 2026

eto Madagasikara Tsy tratra ny tanjona,

  • Sehatry ny fahasalam-bahoaka
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Ireo antony telo mampitsoaka

  • DISTRIKAN'ARIVONIMAMO
  • Talata 31 Martsa 2026

Raikitra ny fanaovam-baksiny iadiana amin'ny Mpox

  • Nana anaty avokavoka
  • Alakamisy 26 Martsa 2026

Mila tolotanana i Finaritra kely

Hijery ny tohiny
FTT