Fahasalamana

Areti-mifindra Olona 5 matin’ny pesta


  • Zoma 25 Oktobra 2019

Miseho hatrany izao karazana loza sy fahasahiranana samihafa izao. Raha ny tatitra azo,

17 ny trangan’aretina voamarina fa pesta atoditariana « bubonique » tao amin’ny Distrikan’i Tsiroanomandidy tao anatin’ny telo volana, teo anelanelan’ny 23 aogositra 2019 hatramin’ny 19 oktobra 2019. Namoy ny ainy ny 5 tamin’ireo. Ny 16 dia tao amin’ny fokontany Marovotry, kaominina Bemahatazana. Namoy ainy ny 4 tamin’ireo ny volana septambra lasa iny. Tao amin’ny kaominina Marotampona ny tranga faha-17 izay namoy ny ainy ihany koa ny fiandohan’ity volana oktobra ity, raha ny vaovao azo. Natsangana ny vaomieran’ny fahamaizana ao Bongolava hidina hanara-maso, hanao fanentanana ara-pahasalamana ny mponina momba ny fahadiovana. Tena azo lazaina ho loza mihatra io, ka ilaina ny mailo sy mitandrina, fa tsy sanatria efa mamono olona maro be vao hikorapaka. Ny delestazy, ny filaharana solika, ny fisondrotry ny vidim-piainana,… anefa mbola olana be tsy hita izay tena famahan’ny fanjakana azy. Ny vahoaka miha mahantra sy sahirana andro aman’alina. Tsy mbola nisy tahaka izao angamba tao anatin’ny 59 taona, ka irariana hisian’ny vahaolana mafonja.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT