Fahasalamana

Areti-mifindra eto Madagasikara Nanaovana tomban’ezaka manokana


  • Alarobia 07 Jona 2017

Nanaovana tomban’ezaka tetsy amin’ny Hotely Colbert Antaninarenina omaly ny momba ny fahasalamam-bahoaka eto amintsika.

 Voakasik’izany ireo karazana areti-mifindra, ny tazomoka, ny tazo vony…  aretina izay fantatra  fa mbola tena  mahazo vahana tokoa aty amin’ny tany an-dalam-pandrosoana tahaka antsika.  Nanomboka tamin’ny taona 2015 tokoa mantsy dia tsy nisy afa-tsy ny 1/3-n’ny firenena maneran-tany no namaly ny sampandraharahan’ny firenena mikambana misahana ny fahasalamana  (OMS) mikasika  ny fampiharana ny RSI  ( Reglement Sanitaire International) izay tokony hampiharin’ny firenena rehetra. Tanjona tamin’izao atrikasa izao ny mba hahafahana miaro ny mpiray tanindrazana amin’ny fiparitahan’ny valan’aretina, indrindra fa ireo teratany vahiny ka hitondrana fanohanana ho azy ireo ho an’ireo izay tena mila izany. Anisan’ny nanohana ny OMS tamin’ny fikarakarana  atrikasa ity moa ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT