Fahasalamana

Areti-maso Katarakta no mahavoa ny 50 %-n’ny marary


  • Alatsinainy 12 Aogositra 2019

Saika katarakta avokoa no mahavoa ny 50 %-n’ireo olona marary maso eto amintsika, indrindra ho an’ireo efa nahazoazo taona.

 

 

 

Mahajamba anefa ity areti-maso iray ity raha vao tsy voatsabo haingana amin’ny alalan’ny fandidiana ka tsy tokony hatao ambanin-javatra. Misy ihany koa ny areti-maso “conjoctivite” izay nambaran’ny mpitsabo fa aretina mpiseho mandavan-taona. Miseho amin’ny alalan’ny maso menamena, mamoaka tai-maso ary mangidihidy izy io izay marihina fa mifindra haingana dia haingana tokoa amin’ny alalan’ilay ranomaso mipetaka amin’ny tanana iny raha tsy voasasa amin’ny savony. Mety hahavoa ny olona iray trano na iray tanàna ity karazana areti-maso iray ity raha tsy mitandrina ilay marary. Misy ihany koa ny areti-maso vokatry ny laim-bary miparitaka raha araka ny fanazavan’ny dokotera hatrany, tranga mpahazo ireo olona any ambanivohitra. Mpitsabo maso maromaro no niatrika fiofanana momba ny fitsaboana izany teny amin’ny FLM Ambohibao ny herinandro teo, miparitaka amina distrika maro eto Analamanga.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT