ARETI-MASO « CONJONCTIVITE BACTERIENNE »

Efa tonga any Alaotra Mangoro sy Atsimo Andrefana


  • Alarobia 17 Janoary 2024

Tena efa miparitaka izaitsizy manerana ny faritra maro ilay areti-maso

conjonctivite bacterienne amin’izao fotoana izao. Taorian’ny tany Mahajanga izay niaingany dia efa nahitana ity areti-maso ity ihany koa tao Toamasina ary ankehitriny dia efa any amin’ny distrikan’Amparafaravola Faritra Alaotra Mangoro koa izany raha toraka izay ny Faritra Atsimo Andrefana. Olona fantatra fa avy any Mahajanga no voalaza fa voan'io areti-maso io, ary nanaparitaka izany any amin’ireo toerana ireo. Efa nisy araka izany ny fepetra noraisin’ireo tompon’andraikitra hisorohana ny fiparitahan’io aretina io any an-toerana toy ny fanaraha-maso ireo mpandeha mivoaka sy miditra ao Alaotra Mangoro sy Atsimo Andrefana indrindra fa ireo avy any Mahajanga. Toraka izany koa ny fanentanana ny tsirairay mba tsy hifanorokoroka be amin’izao fiarahabana ny taona vaovao 2024 izao, ny fanasan-tanana amin’ny savony matetika sy ny fampiasana gel, ny fanaovana solomaso hiarovana amin’izany raha misy ary indrindra ny fanatonana mpitsabo raha vantany vao misy tranga hafahafa toy ny maso mena sy mangidihidy, mivonto sy manaintaina ….Tsiahivina moa fa mahatratra herinandro eo ho eo vao mety ho sitrana tanteraka ny areti-maso ho an’ireo izay tratran’izany raha araka ny fijoroana vavolombelona nataona marary iray. Manodidina ny 8.000 Ar kosa ny vidin’ny fanafody iray raha roa farafaharatsiny no tokony hananan’ny dia ny Collyre gentamicine sy ny Tétracycline pommade.
Pati
Legende : Ankoatra ny fanafody dia tokony hadio hatrany ny tanana mikasika ny maso !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT