ARETI-MASO ANY BEKILY

Miparitaka be, vao mifampijery fotsiny dia mifindra…


  • Alatsinainy 24 Martsa 2025

Miparitaka ny areti-maso any amin’ny distrikan’i Bekily.

Fokontany maromaro no efa voakasika raha araka ny loharanom-baovao azo toy ny Fokontany Tomboarivo, Ambalasaraky, Ifarantsa , Besakoa. Mangidihidy matetika ny maso, mamasipasika tsy zaka , mangirifiry , ary mivonto avy eo. Tahaka izany no fomba fitrangany hoy ny vaovao azo. Vao mijery olona tsy marary maso ihany koa ilay marary dia fantatra fa mifindra avy hatrany ilay aretina ny vehivavy no voalaza ho tena maro voany, raha somary vitsivitsy ny lehilahy. Efa nisy ny fanentanana nataon’ny tompon’andraikitra tamin’ ireo marary araka izany mba hamonjy tobim-pahasalamana hahafahan'ireo mpitsabo mijery akaiky ity aretina ity mba hitadiavana ny fanafody mifanaraka aminy. Mbola vitsy moa ireo tonga nanatona raha araka ny loharanom-baovao azo. Marobe rahateo ireo mbola manao dokotera tenany amin’ny alalan’ny fampiasana ireo karazana fanafody toy ny masonjoany izay heverin’ny sasany fa tena mahomby….Tsiahivina moa fa hahafahana misoroka ny areti-maso mihanaka tahaka izao ny tsy fifandraisan-tanana mba hisorohana ilay mikraoba tsy hiparitaka. Ny tanana mantsy no anisan’ny fitaovana mikasika ny maso matetika. Toraka izany koa ny tsy fifandimbiasana mosoara na lambakely mety hamafana ny maso ary ny fanaovana solomaso.
Pati
Legende : Tsaboin’ireo vehivavy marary amin’izay fanafody misy eo am-pelatanany ny masony marary !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT