Fahasalamana

Areti-mandoza SIDA Ny 15 ka hatramin’ny 49 taona no betsaka voa


  • Alarobia 02 Desambra 2020

Antananarivo no maro olona voan’ny areti-mandoza SIDA indrindra manerana

 

 

ny faritra 22 noho ny hamaroan’ireo olona mivezivezy ao aminy. Eo anelanelan’ny 15 ka hatramin’ny 49 taona kosa ireo olona tena mitondra izany valan’aretina izany ary ahitana azy ireo avokoa manerana ny faritra. Na izany aza dia mbola ambany ny tahan’ireo olona voa ho an’i Madagasikara raha oharina amin’ny any amin’ny firenen-kafa. Tombanana ho 0,3 % mantsy ireo olona voan’izany raha miisa 38 tapitrisa kosa tamin’ny taona 2019 saingy ny 25,4 tapitrisa amin’izy ireo no nahazo fitsaboana tamin’ny alalan’ny ARV. Na izany aza dia mbola miezaka hatrany ny komity nasionaly miady amin’ny aretina SIDA na ny CNLS manao izany ho afany. Nankalaza ny andro maneran-tany iadiana amin’ny SIDA izy ireo omaly teny amin’ny le pavé Antaninarenina. Nivoitra nandritra izany ny lohahevitra manao hoe : “Firaisankina maneran-tany sy andraikitry ny tsirairay ny ady amin’ny areti-mandoza SIDA!” Nentina nakana ny hevitr’ireo mpizaika, hampitomboana ny enti-manana mba hanafainganana ny asa hanatrarana ny tanjona iraisam-pirenena dia ny hanafoanana tanteraka ity areti-mandoza ity amin’ny taona 2030 moa no tena anton’ilay fihaonana omaly.

Pati

Legende : Samy naneho ny heviny avokoa ireo mpizaika teto

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT