ARETI-MANDOZA SIDA

Mbola misy olona 58.000


  • Talata 02 Desambra 2025

isa mandehandeha nefa tsy voatily eto

Madagasikara Tandindomin-doza ny fahasalamana ara-pananahan'ireo tanora 20 ka hatramin'ny 49 taona eto amintsika manoloana ny fihanaky ny tsimok'aretina VIH Sida. Raha araka ny tarehimarika nomen'ny Ministry ny Fahasalamam-bahoaka ny Dr Mañagna Monira tamin'ny mpanao gazety omaly mantsy dia tombanana ho 10.000 eo ho eo ny isan'ireo olona lasibatr'ity aretina ity eto amintsika. Ny 32.000 isa amin'ireo monja anefa no vita fitiliana ary manaraka fitsaboana fa ny ambiny miisa 58.000 dia mandehandeha sy mirihariha mamindra aretina eny anivon'ny fiaraha-monina eny avokoa. Na izany aza anefa dia nomarihiny fa mbola azo fehezina tsara ity aretina ity amin'ny alalan'ny fanentanana sy fampitomboana ny fahalalan' ny olombelona. Toraka izany koa ny fanaovana fitiliana sy ny fiarovantena arahin'ny fanalana ny tahotra sy ny henatra. Loha-hevitra noraisina tamin'ity taona 2025 ity rahateo ny hoe : "𝐌𝐢𝐨𝐭𝐫𝐚 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐬𝐚𝐤𝐚𝐧𝐚, 𝐦𝐚𝐦𝐩𝐚𝐡𝐨𝐦𝐛𝐲 𝐧𝐲 𝐩𝐚𝐢𝐤𝐚𝐝𝐲 𝐢𝐚𝐝𝐢𝐚𝐧𝐚 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐕𝐈𝐇/𝐒𝐈𝐃𝐀" . Nankalazaina tamin’ny fomba ofisialy omaly Alatsinainy 01 Desambra ny Andro iraisam-pirenena iadiana amin’ny VIH/SIDA. Teny amin'ny kaominîna ambànivohitr'i Bemasoandro Atsimondrano no nanamarihana izany, natrehin'ny Ben'ny tanana Ranitratsilo Jimmy, ny solombavambahoaka voafidy teny Atsimondrano....
Pati
Légende : Rtoa Ministry ny Fahasalamam-bahoaka Dr Mañagna Monira, nandritra ny fandraisam-pitenenana nataony !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT