ARETI-MANDOZA SIDA

Ireo tanora 25 ka hatramin’ny 30 taona no betsaka voany


  • Alatsinainy 30 Septambra 2024

Ireo tanora 25 ka hatramin’ny 30 taona no betsaka lasibatry ny areti-mandoza SIDA indrindra eto amintsika.

Ankoatra ny ao Mahajanga dia anisan’ny tafiditra ao anatin’ny faritra mena ny distrikan’i Moramanga sy Sainte Marie samy ao anatin’ny Faritra Atsinanana raha toraka izany koa ny ao Toliara. Tsy midoika anefa izany fa tsy misy na tsy ahitana ity areti-mandoza ity ireo faritra sasany. Lehilahy na vehivavy mandehandeha mantsy no mamindra azy amin’ny alalan’ny fananana olon-tiany maro, antony nanaovan’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka hetsika manokana tao amin’ny oniversite Andrainjato Fianarantsoa afak’omaly Sabotsy 28 Septambra. Nampahafantarina ireo tanora mpianatra ny mety ho voka-dratsin’izany eo amin’ny fiainan-ko ho aviny sy ny firenena iray manontolo mihitsy. Narahina fitiliana faobe izany ka fantatra fa betsaka ireo natahotra sy nanana fanahiana. Nisy ihany koa anefa ireo tena nazoto. Nambaran’ny tompon’andraikitra moa fa raha hita mialoha ny aretina ary voatsabo mialoha dia misy ihany ny vahaolana fa raha sanatria ka miolonolona kosa ilay marary no sady mbola mamindra any an-kafa indray dia tena zava-doza ny vokany. Ny 4%-n’ny Malagasy eo ho eo moa no fantatra fa lasibatry ny areti-mandoza SIDA amin’izao.
Pati
Legende : Tsy hita soritra eny amin’ny endrika ny olona mitondra ny tsimok’aretina VIH/SIDA !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT