Antontan’isan’ny VIH

SIDA ao Moramanga Sao mba miharo ambadika sy kajikajy politika ?


  • Alarobia 05 Oktobra 2022

Olona 8 hatramin'ny 12 eo isam-bolana no voan'ny VIH/SIDA ao Moramanga araka ny nambaran'ny Médecin Inspecteur any an-toerana.

Miisa 141 ireo olona voatily mitondra izany ankehitriny ka ny 60 amin'ireo no efa manaraka fitsaboana. Efa nisy ny marary namoy ny ainy saingy tsy nofaritan'ny tomponandraikitra ny isany. Tena midangana be ary mampivarahontsana ny antontan’isa. Amin’ny lafiny iray, Moramanga dia tanàna hihaonana sy lalovan’ny karazan’olona maro na “carrefour” aloha, ka tsy ferana io, hoy ny mpandinika. “Midagana ihany ilay antontan’isa efa maherin’ny 100 ka sao mba angatra na “syphilis” no betsaka? Amiko dia izao, Filohan’ny Kaomisionin’ny fahasalamana ao amin’ny Antenimieram-pirenena ny olom-boafidy iray voafidy tao Moramanga ka sao sanatria mety misy paikady politika hahazoana famatsiam-bola mba hanomanana ny fifidianana manaraka?”, hoy ny fanontanian’ny mpandinika iray hatrany. Petra-kevitra sy ahiahy avokoa izany fa ny tsy azo lavina dia tena misy ny VIH/SIDA eto Madagasikara, ary mbola tsy nahitan’ny mpikaroka maneran-tany fanafahana hatramin’izao rahateo ity tsimok’aretina ity. Somary nihen-danja ihany koa ny ady sy fanentanana ho fisorohana azy, indrindra tato anatin’ny 10 taona mahery teo, ka tsy mahagaga raha tena mirongatra sy mitombo ny olona voa, izay eo anelanelan’ny 4 alina hatramin’ny 5 alina eo ny efa fantatra. Mirongatra ny tranga any amin’ireo toerana be mpizahatany tahaka an’I Nosy Be, Mahanjaga, ary io ihany koa I Moramanga. Eo ny ahiahy mandalo, saingy tsy azo hamaivanina ihany koa ny antontan’isa, koa entanina hatrany noho izany ny tsirairay ho mailo sy hitandrina eo anatrehan’io aretina mbola tsy ahitam-panafodiny io.


Fa raha miresaka Moramanga hatrany, ny mampanahy ao ihany koa dia misy ny karazana lonilony noho ny maha toerana stratejika be, ka mety mandeha ny kapa vava ranjo samihafa sy ny politika avo lenta. Ao Moramanga mantsy no misy ny toeram-mpitrandrahana kobalta sy nikela dia i Ambatovy, hany ka samy miezaka te hitsetsitra ny tombotsoa amin’io, ary efa tonga hatrany amin’ny fivoizana aza hoe: zarao ho faritra roa I Alaotra sy Mangoro.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • Mpox eto Madagasikara
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Tafakatra 2139 ny tranga

  • AMBOHIJAFY FENOARIVO-MANDRITSARA
  • Alarobia 22 Aprily 2026

Tovovavy maromaro tratran'ny ambalavelona

  • Fahasalaman’ny zaza eto
  • Talata 14 Aprily 2026

Madagasikara

  • Vaksinin’ny IMPOX
  • Alarobia 08 Aprily 2026

eto Madagasikara Tsy tratra ny tanjona,

  • Sehatry ny fahasalam-bahoaka
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Ireo antony telo mampitsoaka

Hijery ny tohiny
FTT