Fahasalamana

Antetezambaro Toamasina II Raikitra ny fitaterana fanafody amin’ny “drône”


  • Zoma 25 Martsa 2022

Mihazakazaka manaraka ny fivoaran'ny tontolon'ny fitaterana sy ny fomba fitaterana ireo fanafody sy kojakoja medikaly eto Madagasikara.

 Manome tanana amin'ny fanatanterahana izany ireo Mpiara-miombon'antoka. Nosokafana tamin'ny fomba ofisialy omaly 24 martsa 2022 tany Antetezambaro, distrikan'i Toamasina II ny fanombohana ny fitaterana fanafody amin'ny alalan'ny "drône" ao amin'ny faritra Antsinanana. Manampy be ny famatsiana ireo Tobim-pahasalamana saro-dalana ny fisian'izao fitaterana fanafody amin'ny alalan'ny "drône" izao, satria minitra vitsivitsy no isaina dia afaka misitraka ny fanafody izy ireo. Azo antoka ihany koa araka izany ny famatsiana fanafody ara-potoana eny amin'ireo toerana lavitra ny tanan-dehibe, hoy ny famarihana. Izao tetikasa goavana izao no tanteraka dia noho ny fiaraha-miasan’ny Fitondram-panjakana Malagasy amin'ny alalan'ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka sy ny Governemanta Amerikana, amin'ny alalan'ny USAID/IMPACT. "Izay Marary andrianina !", miavaka ary hita miharihary sy azo tsapain-tanana ny ezaka ataon'ny Fitondram-panjakana ankehitriny sy ireo Mpiara-miombon'antoka amin'ny fampivoarana ny fahasalamam-bahoaka, hoy ny Minisiteran’ny fahasalamana.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT