Fahasalamana

Antenimieram-pirenena Notolorana fitaovana fitiliana ny pesta


  • Zoma 20 Oktobra 2017

Nanolotra maimaimpoana fitaovana fizahana hafanana maromaro ho an’ny Antenimieram-pirenena ny minisiteran’ny fahasalamana hoentina miatrika ny fiparitahan’ny aretina pesta ankehitriny.

Tonga nanatitra izany teny amin’ny Lapan’i Tsimbazaza omaly ny solontenan’ny minisiteran’ny fahasalamana notarihin’i Dr Ratsitorahina Maherisoa ary nandray ireo fitaovana kosa ny Kestora voalohan’ny Antenimieram-pirenena Randrianasoloniaiko Siteny izay nanambara fa “tena ilaina tokoa eto amin’ny Antenimieram-pirenena ireto fitaovana ireto, indrindra amin’izao fotoam-pivoriana izay ivezivezen’ny olona maro be ato an-dapa izao”. Nanatrika ny fotoana ny lehiben’ny sampandraharaha misahana ny fahasalamana eo amin’ny Antenimieram-pirenena Dr Randrianarivony Rolland sy ireo mpiara-miasa aminy, ny talen’ny kabinetran’Atoa Kestora voalohany, Awel sy ny sekretera jeneralin’ny Antenimieram-pirenena, Ratsimba Andrianaivo Mamy.

 

Nangonin’i Jean D.

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT